Popup

Doods
Aza manody

Track-nummer Titel Klassement Aantal keer beluisterd Downloaden Op je blog plaatsen Acties
1 Aza manody
54 x afgespeeld
2 KIFEKO
45 x afgespeeld

Je beschikt niet over de juiste Flash-versie om de Skyrock Music Player te gebruiken.
Klik hier om Flash te installeren.

MP3 : Aza manody (2008)

[ Track beluisteren ] [ Deze track op je blog plaatsen ]

  • Titel: Aza manody
  • Jaar: 2008

# Gepost op vrijdag 21 augustus 2009, 15u13

MP3 : KIFEKO (2009)

[ Track beluisteren ] [ Deze track op je blog plaatsen ]

  • Titel: KIFEKO
  • Jaar: 2009

# Gepost op vrijdag 21 augustus 2009, 14u35

LYRICS

AZA MANODY




Diniho kely ny zava-misy, ny olo-tsara vitsy
Niezaka aho ny ho tsotra aminy kanefa indrisy
Nandeha ny taona ne-tsikaritro nazava tsapa fa:
« Ny dian'amboa mitafy ondry kay mikaikitra »
Ny mody kama omaly po1 fa ho adva atsy ho atsy
Mihem-batsy ireo tsy maintsy atombo ny zava-dratsy e,e
Hay ve ny life-ko feno olana
Mbola be mpaniry f'izy tsy mivolana
Yeah azafady, indray mi-pimaso Doods milamin-tsaina
Ny aliny ihany no natokany ho adin-tsaina
Saingy izay tsy nahalala izany nivadika nankahala
Fa tsy mety aminy tsinona raha ny hitovy sahala
Na talenta, na fahaizana atr@ tsy voaeritreritra (S,S,S,S)
Nitambatra nahavitany heloka efa voahevitra
Ny ahy ny tsia takonan-tsara noho ny blema
Ny azy ny tsaravelatsihany ity lasa thème


Ref: Misy ireo mody akaiky ahy
Fa ivohoko toa mandrendrika ahy
Manao zay halavo ahy
Fa na mafy aza fanenjehana
Sanatria 'zany raha hahakivy ahy
'Lay Nahary no miaro ahy


Samy nomen'ny Avo tsika fa ny ahy no tsy haritra
Na afeninao aza io yeah ny aty mahatsikaritra
Kama enao nefa, Ny fahombiazana natao ho reharehan'izay akaiky
Ngamba io kosa iaraha-manaiky
Nefa indrisy fa nitsiry tao anaty fonao tao nikiry
Nitondra heta ratsy nahatonga anao haniry
Fa hokobonina aman-taona firy Ra-fialonana?
Tongava saina sao simba @zany ny sisa andro ivelomana
Yeah, mety ho voakitika ny fonao miheno
Yeah, dia zao ny teniko: afeno!
Aza aseho masoandro ny tsy tokony hitranga mba menara
Fa tsy ampahan'ny vitanao ity kôzy ambonin'ny maneno
Foinao ho an'azy ny hatsoranao
Fa tsy asiany tepo na sento iray monja
Tsy tafa izy ity, nefa aleoko izao mangina
Saingy ny fankahalako tsy haiko ho tapitra rôvina?



Kôzy iray ity ho an'izay manenjika ahy
Aza mitady randrana tsy manendrika
Ka sao variana miandry tataka fa ampiasao ilay saina
Dia takaro ny tiako holazaina
Fototra iorenako ilay fahendrena
Ekeo fa tokontany ikarenjeko ny hafetsena
Mba raiso an-tanana aloha ilay fiainanao
Fa ny anjara samy manana, ahirato ny kely ananana
Am-pahatsorana io, am-panetretena
Tasim-penina, haisoratra notefena
Asakasakao àry, hey fakafakao tsara
Fa voalaza aloha oe ny mpanenjika hono any afara
                               LYRICS

# Gepost op donderdag 20 augustus 2009, 02u25

Gewijzigd op maandag 24 augustus 2009, 13u02

LYRICS


KIFEKO

Efa hainao 'le tanana ataovy ambony tsara ayô
Fa 'ty 'le vibe mampanonja azy, kifeo, ayô
Ze misakana dia mbay ô! (mbay ô)

Zany mi-flôty manarak'onjan'insta
Ritsoka azo henoina indrindra raha natao ny fampitaha
Koboy fa: matoa izahay tsy mety miala mbola tia dia tsy oe mitapy
Matoa 'reo tsy mitsaha-mankafy dia ao rap (tchk tchk)
Tsy voatakalo, tsy voasolo
Aleo porofoina eto oe harena be le kolo
Tsy dia ankasitrahana izy nefa kifeko
Raha nisy num izy ngamba isa-minitra bipeko
Fa mandona 'ty ozy aho, ay's
Raha tsy tsapanao, plouf! tapohy kely dzama ice
Tss hehe! raha mety aminao zany dia raiso
Nataoko hahasarika anao ho tia rano mangats'haintso
Passe-passe, manasa anao hi-ping
(Ayô passe, haindry 'le izy hay ndry efa kinga)
Dia ôtr'zany àry (le rap) dia aiza àry aho no tsy ho tara aminy
Mety ho gaga ianao nefa ataoko ahoana zay no valiny


Ref: Efa hainao le tanana ambony yô (ayô)
Doods le vibe mampanonja azy (ayô)
Ze misakana mbay, ze mitady okay
Ôtr'zay le izy, kifenay!


Nandalo nisesisesy 'reo karazan-gadona
Ny R.A.P voatazona, ny sisa rehetra takona
Cali tsotra anaty boots, milalao rima anaty roots
Zà zay, taizan'H atr@zay
Ô minday akama iray mlay antsoina oe mic
Eto an-tanako izy zao mitondra vibe
Dia mikira rima tsy midika oe frim
Refa mitopy aty ny masonao aza variana
Fa le kanto iangaliako tsinona
Tsy takatrao fa any ambadiky le zà mi-tim (berland)
(Hey Doods, ty vavandry aloha mbola hampidi-doza)
Calme, enika talenta io fa tsy foza
Diso fantatro ny zôziny, efa drafitro ny hikôzy
MC a tsinona, leo tsaraina @pôzy
Zao ny feoako àry hamakivaky ati-doha maro ikôzy oe :
Ntsey e, mira oe kifeko io oay le



Yo Doods, cali tsotra anaty boots, milalao rima anaty roots
Poizina io, omenao mic izy tsy ampoizina
Ny flow-ny mampiakatra pouls, mahatonga ny sasany hifosa
Oops! oadray le kifeko io ka tsy avelako handeha irery ny loops
Mila ny feoako izy tsinona
Filalaovan-teny 'zany fa zao ny tena tiako ho tsindrina
Yo, Mamelà ahy ianao mba hanontany
Aiza ho aiza @le rap 'le ratsy raha toa ka ôtr'zany?

Bridge: Efa hainao 'le tanana ataovy ambony tsara ayô
Fa 'ty 'le vibe mampanonja azy, kifeo, ayô
Ze misakana dia mbay ô!
LYRICS

# Gepost op donderdag 20 augustus 2009, 03u12

Gewijzigd op zondag 23 augustus 2009, 03u48